Dôdô Gasy lyrics 📜💎🧠 Ô rasefo ô tsy hitanareo ve ny mahazo antsika? Ny fiainana efa grave ianareo mbola miaro mpanao politika Ô rasefo ô ilay izy anie lesy efa l’indy na kick a! Toa tsy misy tonga saina isika fa ohatra ny samy mivika (Oay lelika e!) Da mbo midôdô ny gasy e, ndre ny fiaigna efa tsy misy lagniny Da mbô merci prezida! Ndre efa tsy hita ny hagny hohagniny Lasa angano angano arirarira ny operation varira Tserika aminao iaho ry malagasy (Merci ty!) (Ny vahoaka anie samy salama e! Kanefa dia samy sagnagna! Isika anie samy maiàna e Kanefa toa mihanahana a) x2 Ref x2 Dôdô ny gasy e! Da mbô midôdô ny gasy e! (Mbola matoritory !) Dôdô ny gasy e! Da mbô midôdô ny gasy e! (Mbola p’ondry p’ondry d’ory!) Hehehe faly ahay fa misy jiron’akoho ny tranonay Lalam-pirenena feno lavadavaka Hotampenanay amin’ny vavaka Hita mihitsy hoe firenena miavaka Faha-5 avy any amin’ny farany tsy afaka Eka riano fa mandroso isika Satria efa misy ny téléphériques Ny life ny anay mandeha hoazy Fa efa ampireven’ny délestage Fa izahay mbola velona Tsy misy manelingelina Na mihamaro ireo makorelina Dia vao maika kifenay Raha domelina Madagasikara tsy maintsy mandroso Fa mana mpitondra mahay mitantana Tserika aminao aho ry malagasy (Ny vahoaka anie samy salama e! Kanefa dia samy sagnagna! Isika anie samy maiàna e Kanefa toa mihanahana a) x2 Ref x2 Dôdô ny gasy e! Da mbô midôdô ny gasy e! (Mbola matoritory !) Dôdô ny gasy e! Da mbô midôdô ny gasy e! (Mbola P’ondry p’ondry d’ory!) Taloha kapoaky raiky no vidian’olo Hanany zao efa lasa tapa-kapoaky, milay an? Mena sofina anakiray no atahoran’ny vahoaka 30 tapitrisa Efa ataon’ireo kofon’ny tsy hay ianao, dia mbola tsy hainao ny mamisavisa Tsy magnino fa hinomanay toaky avao satria ny fiainanay efa milamigny Zaray 1 hetsy aha androany, amaray iny da efa lany Mamomamon’ny fampanantenana, mandona ny voasary mafanafana Punch orange amin’ilay kalitao, aroson’ny be palitao Lafa mamo ahay da mipika , aterina téléphériques e! Tserika aminao aho ry malagasy Mamo aho zany zalahy e! (Ny vahoaka anie samy salama e! Kanefa dia samy sagnagna! Isika anie samy maiàna e Kanefa toa mihanahana a) x2 Ref x2 Dôdô ny gasy e! Da mbô midôdô ny gasy e! (Mbola matoritory !) Dôdô ny gasy e! Da mbô midôdô ny gasy e! (Mbola p’ondry p’ondry d’ory!) Ze mamo midôdô!
@ManuellaDjaba22 күн бұрын
Hatramin'ny jamba ary efa nahita ko
@zartdaina921511 күн бұрын
Partageo milay
@AndreNasoloniainaАй бұрын
Mafy Enao zoky bé 👊🙏🙏🙏👏👏
@zartdaina92153 ай бұрын
Paroles : Refrain (x2) Ianao io no antsoiko hoe silampanahy Fa sady vady ianao no sipa akama Aminao ihany no mahatamana ahy Fa sady andefimandry ianao no namana Couplet 01/ Bridge (x2) Fa raha mbola tany koa ny tany Dia tsisy hafa-tsy ianao irery ihany No ahatsapako an’izany tsapako izany Ianao ilay tsy mba mety ho lany mamy Refrain (x2) Ianao io no antsoiko hoe silampanahy Fa sady vady ianao no sipa akama Aminao ihany no mahatamana ahy Fa sady andefimandry ianao no namana Couplet 02 Niala maina daholo ireo tsy mankafy Fa izahay sy ny chérie efa jamban’ny fitia Samy tsisy te hahalala ny havanana sy havia Fa efa mifamatotra amin’ny rojo vy Azoko ny aiko akia rehefa eo anilandry Milamina ny saiko fa amin’ny foko aho no mitia Hodradradradraiko mafy amin’ity hira ity Ny halehiben’ny fitiavako andry! Satria… Refrain (x2) Ianao io no antsoiko hoe silampanahy Fa sady vady ianao no sipa akama Aminao ihany no mahatamana ahy Fa sady andefimandry ianao no namana Fa izaho anie hoy aho… Couplet 03 (x2) Mila ny fitiavanao mandavataona Mila anao mba ho eo anilako eo foana Mila anao, raha lavitra anao anie izaho ngôma Refrain (x2) Ianao io no antsoiko hoe silampanahy Fa sady vady ianao no sipa akama Aminao ihany no mahatamana ahy Fa sady andefimandry ianao no namana Bridge (x2) Fa raha mbola tany koa ny tany Dia tsisy hafa-tsy ianao irery ihany No ahatsapako an’izany tsapako izany Ianao ilay tsy mba mety ho lany mamy Outro (Voix féminine) (x2) Ke agnao io no antsoiko ho silampagnahy Sady vady agnao no bandy akama Ankilanao mahatamana Sady andefimandry agnao no namana ❤️
@zartdaina92159 ай бұрын
AZY NY VATANY (Lyrics) Miana... Tsy miferinaina... Couplet 01 : Na voararan'ny lalàna ny rongony Na hodoranareo sy havoaka amin'ny tele tsy hoe hahafoana ny mpamboly Na bômbany firy na firy kilao na firy hectares na firy gony Aondrano daholo fa ilay toe-karena efa tsy avotra mety mba hiakatra ambony, ny fahantrana efa mampifamono Misoratra tsara amin'ny fonon-tsigara ny hoe manimba sy mamono Fa mbola mifoka ireo izay te hifoka tsy andairan'ny kozy hoe ajanono Tsy nampiova na inona na inona akory ilay soratra, ny efa tafiditra tsy afaka intsony Na ho 1 tapitrisa ariary ny singany 1 dia hovidiandr'i lerony Fa azy ny vatany, azy ny avokavony, anazy ny zavatra fohany, volany ihany no dorany Fa azy ny vatany, azy ny avokavony, anazy ny zavatra fohany, volany ihany no dorany Refrain x2 : Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Dia samy mba mihinan'ny hamaminy Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Aleo samy hihinan'ny hamaminy Couplet 02 Efa nitobaka eran'ny tanàna hatrizay ny misoprostol Io na tsy eken'ny lalàna mi avorter foana ny bikin'ny viol Izany hoe ireo bevohoka tsy fidiny io, ao koa ny mbola tsy vonona Ireo tsy te hiteraka sampona voatsaratsara ho mpamono olona Ny atody tsy mbola akoho, ny foetus tsy mbola olombelona Ny fanjakàna tsy hiantoka mihitsy an'ireo zazakely tsy vitan'ny reniny Raha hoe vehivavy efa vonona ny hanala zaza tsy maintsy hoe nandinika lalina Mila atao ara-pahasalamana io mila assistance medicale Fa azy ny vatany, azy ny tranon-jazany Aza dia faly ny hitsaratsara azy fa tsy arakao ny tantarany Fa azy ny vatany, azy ny tranon-jazany Aza dia faly ny hitsaratsara azy fa tsy arakao ny tantarany Refrain x2 : Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Dia samy mba mihinan'ny hamaminy Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Aleo samy mihinana ny hamaminy Couplet 03 Fa na mitombo ny bandy tia bandy Tsy miova ny tian'Nybeloha fa vehivavy Torak'izany ny vavy tia vavy, tsy azo terena ho tara amin'ny bandy Miaraka foana eny izay te hiaraka na tsy ekenao hifanambady Fa aza mitsara ! Miverena manao salaka raha ianao no malagasy Ny eto anie samy manao izay tiany na misy na tsisy ny fankatoavana Samy manana ny tanjona iriany, ny tsirairay samy manam-pitiavana Tsisy idiran'ny maha mpino io, tsisy idiran'ny fivavahana Tsisy idiran'ny fomban-drazana, ny hany azonao atao dia mitazana Fa azy ny vatany, azy ny taovam-pananahany Tsy ny anao no ampiasainy fa aleo izy hiaina amin'ny fahalalahany Azy ny vatany, azy ny taovam-pananahany Tsy ny anao no ampiasainy fa aleo izy hiaina amin'ny fahalalahany Refrain x2 : Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Dia samy mba mihinan'ny hamaminy Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Aleo samy hihinan'ny hamaminy A/C : Nybeloha
@MbolatianaRaoelison9 ай бұрын
Kozy mintsy lesy
@Joy-z5x10 ай бұрын
Je kiffe trop ce song ❤❤
@antoinetterahanginirina671310 ай бұрын
Tena tiako @ foko hira ty , merci ilay nomorona azy.
@nantenainaantsa4937 Жыл бұрын
Ça me parle, peace!🤙
@benzRALY Жыл бұрын
Yes high frère 🎉..bien bien 2023 tohizo fa mlay d mirary hi ela velona 🎉👍✋️👊
@gabrielleratsirahonana8536 Жыл бұрын
Sady taviny no volony 💯❤️👏🍀
@maxam2480 Жыл бұрын
Tsara ny vazo, ito hirany iray ito koa tena tsara kzbin.info/www/bejne/aImsdH2mrp5piqc
@miarozolovasarobidyantsani3304 Жыл бұрын
marina commentaire ambany io Beloha a, soa vazo raik ity 🔥🔥
@TsilavinaRATSIMANDRESY Жыл бұрын
tsara loatra leroa...gadona original ohatran'izao ihany no tena hoe mapivoka ny talentanao