Hitady tany hafa ve no hatao Ilay rivotra madio sy tena vao Hitady olon-kafa ianao hiara-dia Hitady lalan-kafa izoranao Hitady fiainan-kafa ho zakanao Hitady lanitra fiadananao Ho aiza anefa, ho aiza ianao Hitodika aiza, handeha ho aiza Hikaroka aiza anefa ianao Hitodika aiza moa ny maso Dia hitady an'iza anefa ianao Ho sendra inona izato dia Dia inona indray no ho hitanao Ho aiza moa ny lalanao Tsy hahita tany hafa anefa ianao Na lanitra madio sy tena vao Tsy hahita paradisa an-tany ianao Izaho no paradisanao, na afobe mandoro Ny horohoro sy ny tsaho ary ny fahalovana Ka ny fahoriana, herisetra, ny fanenjehana sy ny ady Ary na hitsoaka na hiery, tsy afa-hikimpy tsy hijery Vatsio fanantenana ny misy anao Tsilovy hazavàna ny alinao Zory am-pitiavana ny lalanao Araho tsiky izato dianao Ento am-pitiavana ny lalanao
@rasoloarisonclaudia7755 Жыл бұрын
Merci
@anthonymichaelramanampiaro77972 жыл бұрын
Tsara fa ,somary mafy loatra ilay instrument plus mijabaka kely bedabe ilay musicien plus be lôtra ilay clé 7ème apiasaina leri dia lasa tsy dia mivôka ilay izy
@deraniainafanomezanjanahar15842 жыл бұрын
tsara be 🤩
@josiannetainio64383 жыл бұрын
Superbe chanson!
@agencydv3 жыл бұрын
<3
@njaranyaina82355 жыл бұрын
Zory ampitiavana ny lalanao, araho tsiky zato dianao❤❤❤ tiko lotra
@lydsrama29745 жыл бұрын
tiko eeee tiko foana
@lantorabearison33605 жыл бұрын
Tsara loatra...
@nyahvorandrianarivelo665 жыл бұрын
Mbola tiako foana 😍
@hobiniainaramasindraibe91476 жыл бұрын
💕
@julienhonorat29956 жыл бұрын
j'adore lalie
@ikalasoa37646 жыл бұрын
Kay ve tato nisy an ito hira ito e !!!!!!
@razafindravonjytimoty78366 жыл бұрын
tena mbola mitady ny album an Lalie za amzao fa tsy mahita tsony
@julienhonorat29955 жыл бұрын
za manana hirany maromaro fa na izany az efa manomboka miverina anat youtube ato ny hirany