HAFATRA FANAVOTANA- BUDDHA EL TAGA FEAT MI REF: MI oooooooooouuu Asivo androany, androany ihany fo sy saina iray vaovao VERSE ONE : BUDDHA EL TAGA Asaivo asiany finiavana ny ara ataony mba ho eo anoloana mba hitarafan'ny hafa ny tsara nataony handefitra @ lesoka tsy haverina lasa lesona indraindray ny teny nanindrona ohatran'ny lefona tsy handratra ny fonao ny tanjona fa hanaitra ny fanahinao hibanjina ny anaty sy ny maso fahatelo andinin-tena de iny ianao niha-mafy faly aho @ ny tsy hanitsahanao intsony ny maloto napetraky ny hafa fa ny tanjona miara-tafa dia tsy vitan'ny hoe ampy taona sy vita vaksiny de hoe vonona tsara ny tifi-danitra fa tandremo sao mahafaty vorona inoaka angamba fa tsy zay no tadiavina hatramin'izay efa feo farina sy taona maro niondanana dia ny totohondriko mivonkona tsy fandrahonana fa mari-panajana ho an'ny fanahy aloha ny voalohany raha mbola afaka miteny aho fanin-droany ho an'ny TANGALA hay mbola misy fanin-telony ho an'ny rap tsy maninona na vitsy mpahalala vao maika tsara aleoko lavitra izay toy izay hoe be mpandray fa an-tendrony sarom-piaro aho fa vonona hifampizara ny soa raha tena soa tokoa tsy hifampitodi-damosina andiany faharoa iny ho an'ny fihavanana tsy nataoko filaza fa nataoko soa toavina, tena marina tsy fahotana moa ko nahoana no ahafaty vao maika maha-velona hifankatia tokoa fa olombelona samy olombelona, arakaraka fa raha izay no miverim-berina matetika de lafatra REF: MI a a a Asivo androany, androany ihany fo sy saina iray vaovao Asivo androany, androany ihany fo sy saina iray vaovao VERSE TWO : BUDDHA EL TAGA Asaivo asiany fitiavana ny androny anio mba ahafahany mamafa ny ratsy rehetra vita dia ny hafa no hitsiriritra hoe zay vao nahita ny tsy fahita dia aleo ny olombelona maditra no melohana fa tsy ny mozika fitaterana mitondra ahy any @ tontolo ampita mandefa ny fanahy lavitra,mahatakatra ny ivelan'ny faritra raha tsy hitan'ny maso tsy hoe tsisy fa voay ny finoana dia hiala @ maha biby manan-tsaina fa hifoha ho olombelona manam-panahy no inoana dia tsy hafa misaraka @ metafizika ny zanak'olombelona tsy reraka ny TANGALA MAINTY mamerimberina raha mbola misy trangan-javatra tsy takatry ny sain-tsika mila hatrehana dia tsy omena tsiny ny tsy mahalala fa tsy fahotana ny tsy fahaizana fa ny tsy fahaiza-miaina kosa "afo be" amboroa mitarika ny vatana hirehareha dia ny misitery sarom-patarina tsy hino ny saina raha verivery lava eny foana mila mpitantana raha misy manontany hoe aiza ny làlako? metafizika no arabeako, làlan'ny fanahy no aleako paradisa no tanindrazako, fa saingy tsy anjely ny anarako mbola mandiha tany eto foana aloha dia miharitra dia mba hitantarao aho tantara iray mahafinaritra ampitsikio, hiverina ahazo fo madio dia tadidio fa ilaiko izany anio dia anio avereno amiko izay fifaliako mety nangalarinao avereno izao dia izao REF: MI a a a Asivo androany, androany ihany fo sy saina iray vaovao Asivo androany, androany ihany fo sy saina iray vaovao