Embona sy hanina, tsiahy maha-fahanginana Ngoly ny fo mamelovelo, madisadisan'alahelo Ny avôna tazanina,tsy hita ho dinganina Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra Ny aina marary, ny fo maratra Fa ny antsoko, ny ankony mitampody Mba mihika mafy anie aho nefa tsy tody Izay jereko manjavozavo Tako-drahona sy vohitra avo Fa mahery sy masiaka ny onja Tsisy lakana mety afaka hitondra Ny saina no alefa maminany Mibanjina anao any ho any. Alahelo sy toloko, raha vao injay tsaroako Fa noho ny hasomparan'ny tany Izaho aty, ianao lavitra any Tsy azo hiadiana ny anjara 'Zay angamba no heveriny ho tsara Izaho tsy kivy tsy ho ketraka Na dia mangidy mavesatra Fa ny ahy dia fitia tena marina Na anaty honahona tsy ho tafarina Na halevina mety handifitr'olona Hiposaka amin'ny hamololona Ny any hafatro dia ny hoe matokia Fa izaho tsy hitsahatra ny hitia Tsy ny halavitana, ny tsy hita maso Mahasakana ny fontsika tsy hihaona
@poundalee52812 ай бұрын
Mille bravos👏👏👏Faly izahay fan Mahaleo mahita anareo taranaka manohy ny kanton ny tarika MAHALEO.