Рет қаралды 47
ALAHADIN'NY FIANAKAVIANA MASINA.
EOKARISTIA MASINA FANOKAFANA TAON-JOBILIN'I FAMONJENA ANTSIKA Diosezin'Antsiranana.
''Tsy manodoka ny fanantenana... ""(Rom 5,5)
⛪ Fankalazana ny Eokaristia Masina notarihin'ny Monseigneur Archevêque BENJAMIN Marc Ramaroson tato amin'ny Katedraly Fo Masin'i Jesoa Antsiranana, izay nanokafana ny Taon-jobily ny Famonjena antsika.
Natomboka tamin'ny Vavaka ivelan'ny ETA ny fankalazana, ary taorian'izany no nanokafan'ny Eveka ny varavaran'ny Katedraly, varavarana masina.
⛪ Tamin'ny famaranana ny Eokaristia Masina no nanomezan'ny Eveka ( solontenan'ny Papa eto amin'ny Diosezy)ny indulgence plénière ho an'ireo niomana amin'izany sy ireo rehetra tonga nanao pèlerinage tato amin'ny Katedraly androany.
🔷Izao fanombohan'ny taona masina izao anie hamelombelona ny fanantenantsika mba ho mpivahinin'ny fanantenana tokoa isika.