Рет қаралды 28
𝗙𝗶𝗲𝗿 𝗠𝗮𝗱𝗮, 𝗳𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗶𝗻𝗮𝗱𝘆
✅Tonga nihaona nivantana tamin’ireo tantsaha mpamokatra sy mpanodina vokatra ary ireo mpandraharaha izay nandray anjara tamin’ny hetsika foara FIER Mada andiany faha-25 ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RATOHIARIJAONA Suzelin, ny 11 Aogositra 2024 teny Andohatapenaka.
🎯Nitafa sy nifanankalo hevitra tamin’izy ireo ny Minisitra ary nanamafy fa ny Ministera dia manakaiky ny tantsaha ary vonona hatrany ny hanohana sy hanome tosika. Hita taratra izany tamin’ny fahafahan’ireo solontenan’ny fikambanam-behivavy mpanodina vokatra mangahazo avy any Atsimo Andrefana niatrika ny foara. Izany dia noho ny tohana ho fanokafana lalam-barotra avy tamin’ny Fandaharanasa DEFIS izay eo ambany fiahian’ny MINAE.
👉Nampiranty vokatra tao ihany koa ireo tanora novolavolain’ny Tetikasa PEJAA ho lasa mpandraharaha ara- pamokarana.
#foara
#tsenabe
#MINAE
#fihaonana