Рет қаралды 66
Miarahaba antsika rehetra manaraka izao Fampaherezana izao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hatrany ny tenako. Hamantatra sy handalina hatrany ilay Fanahin’ny Fahamarinana isika ao anatin’izao Fampaherezana izao. Fitaka matetika no hitorian’ny mpitory Filazantsara fa raha mpanompon’Atra dia tsy marary, tsy mahantra; azo lazaina fa tena fampanantenana poak’aty atao @ mpino izany. Satria raha ny fiainan’i Jesosy fotsiny no dinihina dia nandalo zava-tsarotra maro izy, kanefa raha misy milaza azy ho kristianina dia ny làlan’i Jesosy no làlany (I Jaona 2:6). Ary eo no ilaintsika mamantatra ilay Fanahin’ny Fahamarinana satria tsy mety mitovy fa mifanohitra izay voalazan’Atra sy ny devoly (Genesisy 2:15-17, Genesisy 3:4-5). Ary Paoly izay nanana ilay Fanahin’ny Fahamarinana aza dia mbola nanindry mafy ny làlana izoran’ny mpino (II Korintiana 4:7-18, II Korintiana 6:1-10). Araho h@ farany anie ny fanazavana fa hitondra soa ho antsika e! Mahereza hatrany rahalahy sy ranabavy.
Pasteur ANDRIAMALALA Rodin!