ANTSO HO ANAO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana

  Рет қаралды 1,721,777

saryMahefa

saryMahefa

Күн бұрын

Raha misy ratram-po na azom-pahoriana ianao
Dia làlana lalovana io mba hanefena anao
Na dia mavesatra aza tsy hanariana ny finoana
Ho maivana aminao rehefa Jeso no antsoina
Tsarovy koa fa maro no mivavaka ho anao
Izay efa niharam-pahoriana mafy toy izao
Iray no nitokiany dia Jeso izay tsy mandao.
Hampody ny haizina mba ho maraina vaovao.
Matetika na sambany ianao
No iharam-pitsapàna toy izao ?
Dia aoka hazava tsara
Fa misy tiany hambara
Fitiavana no anton'izao
Sady efa antso ataony aminao
Ny hiovanao fo raha tsy fantatrao
Valio izao antso izao
Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka
Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika
Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao
Hampody ny haizina mba ho maraina vaovao
Matetika na sambany ianao
No iharam-pitsapàna toy izao ?
Dia aoka hazava tsara
Fa misy tiany hambara
Fitiavana no anton'izao
Sady efa antso ataony aminao
Ny hiovanao fo raha tsy fantatrao
Valio izao antso izao
Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka
Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika
Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao
Ka manatsotra tanana Izy ta-handray anao

Пікірлер: 200
@georgesrakotoniaina1639
@georgesrakotoniaina1639 2 ай бұрын
Nandeha ny taona : 14 taona (2010) no nidaosan' ny fahatesana ny Zanakay LAHY Izahay no ''vetsomponay'' nanaovan' azy VELOMA MANDRAM-PIAONA😢😢😢
@feelingood79
@feelingood79 14 жыл бұрын
Si vous saviez à quel point cette chanson m'a soutenue dans mes dûres épreuves! gloire à Dieu!
@mirarakotoalisoa7810
@mirarakotoalisoa7810 3 жыл бұрын
0
@Camillah63
@Camillah63 6 ай бұрын
D'accord 👍
@reineramboasalama9516
@reineramboasalama9516 Жыл бұрын
Misaotra Tompo Mahery! Hira niarahako niahaino tato antrano fifanomezanay mirahavavy hery izy efa niady mafy tamin' ny aretina volana vitsy nialohan'ny nandaozany ny tany hamonjy ny toerana nomaninao ho azy! merci Seigneur!
@saryMahefa
@saryMahefa Жыл бұрын
Mahereza indrindra tompoko, ny Tompo tsy mba mandao ny mpanompony !
@coulimanantsoa70tana
@coulimanantsoa70tana 4 ай бұрын
Ndrisy courage fa mafy ny nilaozany havatiana an , efa niainako dia tsapako, tsarovy fa efa Sambatra eo anilany Tompo ny fanahiny ka TSY mananjava - mahory intsony izy , courage an 🙏
@hiasrandrianarisoa3659
@hiasrandrianarisoa3659 6 жыл бұрын
JESOA KRISTY TOMPO OMEO AHY NY FITIAVANAO SY NY HERINAO AHAFAHAKO MANOHITRA NY RATSY SY MBA TSY HO SOLAFAKA RAHA MISY OLANA MANJO OMEO AHY NY FANANTENANA AVY ANY ANDANITRA .MISAOTRA JESOA .AMEN
@tatelymisaotrajesosyooosah6111
@tatelymisaotrajesosyooosah6111 5 жыл бұрын
Misy lalana amboarin ho ahy s'y enao amizay rehetra mandalo eo amin'fianana misaotra Jesosy ô Amen
@patriciaraketadrasoa7239
@patriciaraketadrasoa7239 4 жыл бұрын
JESOA o miantso Anao Aho mamindrafo amiko fa reraky ny fiainana Aho. 🙏 Ampafataro ahy ny tianao ataoko Dia ho Sambatra Aho miaraka aminao 🙏
@sylvoalias
@sylvoalias 10 жыл бұрын
Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao Hampody ny aizina mba ho maraina vaovao Tsarovy koa fa maro no mivavaka ho anao Izay efa niharam-pahoriana mafy toy izao Iray no nitokiany dia Jeso izay tsy mandao. Hampody ny haizina mba ho maraina vaovao. Misaotra ny mpizara e... Ho amintsika rehetra anie ny Tompo. S.
@venillacareliot1358
@venillacareliot1358 4 жыл бұрын
Tena manpitony ny ady zay atrehako , saotra anao JESOSY ♥
@jeanrommualdsafidyalphonse5887
@jeanrommualdsafidyalphonse5887 8 жыл бұрын
Ny tsirairay dia samy nomen'Andriamanitra ny lalampianana.Koa na inona zamva_misy @nao NY AVO INDRIDRA no atompisiany araka izany mifikira @ TOMPO ANDRIAMANITRAO.AMEN
@cintsmati5009
@cintsmati5009 Жыл бұрын
Jesosy soa indrindra oo Tiako lotra Enao🙏🏻❤️🙏🏻
@delcinahnambinitsara7510
@delcinahnambinitsara7510 7 жыл бұрын
maninabe ny tanora any aminay agn zan hira zan sady tena mijadona ampoko satria ohtr za tenenin ka mampanantena fa valian'Atra sy Zanan'Ilay tokna n mahzo Za AMEN ' MERCI bc tompoko fa hafap zahay
@AndoOlive
@AndoOlive 12 жыл бұрын
Tsara loatra ny Tompo, Deraina mandrakizay ny Anarany, Nahum 1:7 dia Misaotra an'i Mahefa nandefa ny hira teto, Ny Tompo homba anao mandrakariva, Izy hampitombo ny fahasoavany manana amby ampy aminao,ny voninahitra dia ho an'i Jesosy Kristy Tompontsika irery ihany , Alleluia !!
@victorrajaonarivelo414
@victorrajaonarivelo414 8 жыл бұрын
tena mampihetsimpo mihintsy ity hira ity ary tena antso mihintsy Andriamanitra tokoa mijery antsika lalandava na aiza isika na aiza ary tia antsika izy ankino aminy ny fiainantsika de hiadana isika. Amena
@rafaramalalaviviane4523
@rafaramalalaviviane4523 6 жыл бұрын
Mahay ny zavatra rehetra tokoa Atra.Amen
@yvesabci74
@yvesabci74 12 жыл бұрын
Chers amis, c'est trop beau! Prière de traduire SVP; que nous puissions glorifier ensemble le Seigneur Jésus!
@hanitraravalison4286
@hanitraravalison4286 2 жыл бұрын
EN RÉSUMÉ : JÉSUS VOUS AIME ! Il EST LE SEUL SECOURS ! IL EST TOUJOURS LÀ MALGRÉ LES ÉPREUVES ! IL VOUS REGARDE , IL VOUS COMPRENDS ! IL VOUS SECOURT
@nirinaramangasalama3265
@nirinaramangasalama3265 2 жыл бұрын
Raha misy ratram- po Dia Lalana fanefena io. Dia Jeso no antsoina. Maro no mivavaka ho anao koa. Antso ho anao izao io. 🙏💓
@antoinetterasoamanantsoa9006
@antoinetterasoamanantsoa9006 12 жыл бұрын
misaotra an`TOMPO lehibe aho ,fa mbola nomeny hery t@alan`ity hira ity na dia mafy aza ny ady izay atrehako @izao AMEN!!!!!!!
@renauldgilles1633
@renauldgilles1633 11 жыл бұрын
misaotra anao tompo o! Fa na dia mandalo lalana sarotra aza izahay dia avy aminao izany mba hamefenao anay hotahina anie jesosy tompo amena!
@omendazaraza
@omendazaraza 14 жыл бұрын
Mampahery indrindra ny hira! Dera ho an'Andriamanitra Avo Fahasoavany ho amin-tsika ary hoa an'ilay namana nampiditra ny hira
@paulinetsiky6238
@paulinetsiky6238 10 жыл бұрын
mampahery hantrany hatrany tsapa fa misy zavatra tiana ny TOMPO JESO hambara tokoa eo amin ny fiainana matoa mandalo ady sy fitsapana
@andomanitra2454
@andomanitra2454 5 жыл бұрын
Atsiarovako any papako mihitsy ty hira ty ❤ efa any izy zay
@rakotomalalatsilavina5753
@rakotomalalatsilavina5753 8 жыл бұрын
Voninahitra ho an' Andriamanitra irery ihany! Mampitomany sy maha-tonga saina! misaotra ny Mpamorina sy ny Antoko Mpihira ary ny nametraka ny hira!
@menaloatsa
@menaloatsa 13 жыл бұрын
lalana lalovana io mba hanefena anao... na dia mavesatra aza dia tsy hanariana finoana
@mamierafarasolomalala5835
@mamierafarasolomalala5835 2 жыл бұрын
Merci bon Dieu pour tout.Amen
@user-hh4jm1rl4j
@user-hh4jm1rl4j 9 ай бұрын
Mankasitraka an'i Hosana f mampahery b fna ny hiranareo , deraina ny Tompo
@harinaivodieu-donne6367
@harinaivodieu-donne6367 5 жыл бұрын
Làlana lalovana io mba hanefena anao. Ampody ny haizi-ndava ho maraina vaovao. Mankasitraka amin'ny fampaherezana.
@sylvoalias
@sylvoalias 5 жыл бұрын
Aiza toko moa ry Tompo no ahavaliako ny soa rehetra izay nataonao tamiko,nesorinao ny ziogako,ka indro maivana aho,navelanao ny fahotako,Ny foko sy ny feoko no aoka kosa hidera sy halanalaza lava ny anaranao,mba ho mariky ny fisaorako anao.Anjakao ny foko Jehovah O,ary arovy amin'ny fakam-panahy aho Tompo O. Omeo hery kosa ireo manana ny talenta mba hidera ny anaranao amin'ny alalan'ny hira,hampiely ny herinao amin'ny alala'ny feo mba tsy ho kivy hikalo ary hitory ny teninao.Ravelontsama
@georgesrakotoniaina1639
@georgesrakotoniaina1639 4 жыл бұрын
Fahatsiarovana tsy afaka ao ampo!
@priscarajao9251
@priscarajao9251 11 жыл бұрын
Maro be ireo fitsapana Ray o! Fa ninoninona dia mialoka eo ambany elatrao fona aho, misaotra ny mpihira fa mampietana fo , tsara Andriamanitra
@rondroskies2558
@rondroskies2558 7 жыл бұрын
hira fiderana tsara, Miaraha amin Andriamanitra fona amin fiainana e dia ho sambatra ianao
@clairerazafindravony3206
@clairerazafindravony3206 6 жыл бұрын
Rondro Skies b5tTrt 23456a -
@fafasamuelson5953
@fafasamuelson5953 8 жыл бұрын
Raha misy ratrampo nga de mety ho very ny finoana? fa tsy vao maika mitombo aza!!!Misaotra an 'i Jesoa tamin'ny nampahafantarany ny marina momba ny finoana mba hinoana Azy bebe kokoa
@noradefaux1055
@noradefaux1055 2 жыл бұрын
Ça fait du bien loin de ma famille merci
@jeitacell2838
@jeitacell2838 8 жыл бұрын
VONINAHITRA DIA HO AN ' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY AMEN
@ravelomanantsoasolofo9654
@ravelomanantsoasolofo9654 4 жыл бұрын
Marina fa tsy natao hifaninanana ny hira fitoriana sy fivavahana fa h@ izay 12 taona nivoahany izay dia ity no hira nalaza indrindra ary be mpihaino, mpihira, mpankafia indrindra< Misaotra Hosana Ambohijatovo
@tanjonamayer1384
@tanjonamayer1384 7 жыл бұрын
Merci d exister Seigneur ❤
@skannick5382
@skannick5382 8 жыл бұрын
Tsy hiala aminao intsony aho Jesosy o, na misy ratrampo az fa Ianao no manasitrana ahy!
@tofo1154
@tofo1154 4 жыл бұрын
Misaotra anao e
@madagascarthebest1107
@madagascarthebest1107 7 жыл бұрын
Jesosy Kristy tsy mandao ;mampody ny aizina ho maraina vaovao
@tofo1154
@tofo1154 6 жыл бұрын
Hiran fianakaviana tao ampiangonana t@ mamanay lasa eeee 😭😭😭😭😭😭😭 Misaotra ny antoko mihira Hosana Ambohijatovo
@tofo1154
@tofo1154 4 жыл бұрын
Misaotra anao
@ialisoarazanoelina6388
@ialisoarazanoelina6388 4 жыл бұрын
Misaotra indrindra Tompo o amin'ny fitiavanao anay!💝
@holialivelorazafindratsima7346
@holialivelorazafindratsima7346 Жыл бұрын
Za ty tena anisan'ny tanareo koa . Fa indrindra ILAY Zokiben'tsika JESOA KRISTY TOMPO , IZAY tena ilaina , ary IZAY entinareo ao @ hira-nareo, no ankafizina .
@holialivelorazafindratsima7346
@holialivelorazafindratsima7346 Жыл бұрын
Fanitsiana kely : anisan'ny "tia anareo koa" ...
@razanaparanyhardyzafinandr7496
@razanaparanyhardyzafinandr7496 6 жыл бұрын
Na dia mahatsiaro ho mpanota aza ny tena mahare izany hira izany dia mba velom-panantenana fa tsy mahafoy ilay Andriamanitra rehefa miverina aminy ianao,na dia misedra olana sy fitapàna maro samihafa. Samy homban'ny Fahasoavany isika rehetra!
@mariahaloma9767
@mariahaloma9767 6 жыл бұрын
Mijery anao lay Andriamanitsika Amen
@manjanosy3342
@manjanosy3342 7 жыл бұрын
Antso miantefa, Tompo mahay ny zavatra rehetra Amen.
@sandraprudhomme2940
@sandraprudhomme2940 10 жыл бұрын
na dia mavesatra aza tsy anarina ny finoana,ho maivana aminao rehefa jeso no antsoina, amen
@tantely27
@tantely27 8 жыл бұрын
Matetika na sambany hianao no azom-pahoriana toy izao, dia aoka hazava tsara , fitiavana no anton'izao, sady efa antso efa ataony aminao,
@nyharenarasolomanana1726
@nyharenarasolomanana1726 7 жыл бұрын
mercii seigneur 😊💖💖❤
@nirinaramangasalama3265
@nirinaramangasalama3265 2 жыл бұрын
Misy tiany ambarany. Mijery anao hatrany n'y Andriamanitsika. :-)
@falyrajaonarivelo3516
@falyrajaonarivelo3516 7 жыл бұрын
Ho maivana aminao rehefa Jeso no antsoina. Amen.
@juliejulie3506
@juliejulie3506 7 жыл бұрын
Mandriam.Piadanana Dada sy Neny Ity hira no Antso ho anay
@saholivololo
@saholivololo 15 жыл бұрын
Ray o! miantso anao hitantana ny andro nay anio ho fantsompitiavana anie izahay ary hiaradia aminay ianao ka tsy ho solaka izahay Arovy ny fanahy ratsy izahay misaotra Ray!
@delmottederaina5902
@delmottederaina5902 11 жыл бұрын
Misaotra indridra Jesosy ô, fa tena tianay tokoa Ianao!
@rabearyharena9653
@rabearyharena9653 9 жыл бұрын
Mahatsiaro an' i Ratsaraibe Felicie sy Rakotomalala Joseph Gabriel.
@andryraharimanantsoa6906
@andryraharimanantsoa6906 4 жыл бұрын
Deraina ny Tompo. Amen
@eliavicto9830
@eliavicto9830 9 жыл бұрын
Tsy mitsahatra ny mihaino ity hira ity ny tenako,indrindra isaky ny maraina,eny betsaka ny fitsapana ety an - tany,ny olana maro samihafa,fa tsy misy tsy hain 'Andriamanitra atao,raha mino azy sy mankatoa azy.Misaotra betsaka ho anareo chorale mampahery ary tohizo hatramin ' ny farany ny fanompoana an'Andriamanitra.Izy ao ambony anie homba antsika rehetra.
@henrirandrianatoandro3762
@henrirandrianatoandro3762 7 жыл бұрын
Marna lotra zany teninao zaany
@eliavicto9830
@eliavicto9830 4 жыл бұрын
@@henrirandrianatoandro3762 Lehibe Andriamanitra e.mirary soa.
@rahelimalalalaingotiana9746
@rahelimalalalaingotiana9746 11 жыл бұрын
Tena tsara le hira, mampientam-po hahatsiaro lalandava fa misy ilay tsy mandao
@tianarakotovao5962
@tianarakotovao5962 8 жыл бұрын
Raha misy ratra am-po!!!!!
@ratefiarivonyandryjoachin310
@ratefiarivonyandryjoachin310 2 жыл бұрын
Jtm mon Dieu
@naominirina5185
@naominirina5185 10 жыл бұрын
Ahatsiarovako ny tanora Fjkm Peniela Andrebakely Sud ity hira ity.2009.Dera sy ny voninahitra ho an Andriamanitra irery
@rabarisonjeanphilistin2881
@rabarisonjeanphilistin2881 6 жыл бұрын
mankasitraka e,Tahin Jesosy daholo
@NantenainaFanambinana
@NantenainaFanambinana 7 жыл бұрын
Mahafinaritra, ary tena marina Jesosy fa ianao tsy manary anay izany. Misaotra Jesosy.
@ravoavychristianmike2158
@ravoavychristianmike2158 6 жыл бұрын
ity hira ity ahatsiarovako ilay zaodahiko efa maty Haja Andriamanantena raha vao maheno an io hira io aho mahatsiaro azy foana mino aho fa eo ankaikin ny jesoa izy
@manasoa6634
@manasoa6634 6 жыл бұрын
mijery anao hatrany Andriamanitra
@holialivelorazafindratsima7346
@holialivelorazafindratsima7346 Жыл бұрын
Ambohijatovo Fitiavana à, Sao dia mba azonareo alefa eto ny tonon'iny hira-nareo "Antso ho anao" iny ? Tena mba tiako, ary tena misy hilako azy mihintsy ankehitriny . Misaotra anareo mialoha indrindra tompoko . Hoy Nenibe Holy Razafindratsima, 78,5 taona . avy ao @ Fiangonana Katedraly Sta Laurent Ambohimanoro aho . Misaotra anareo an .
@saryMahefa
@saryMahefa Жыл бұрын
Salama tompoko o ! Tsy Ambohijatovo Fitiavana aho, fa azoko omena ny tononkira.
@saryMahefa
@saryMahefa Жыл бұрын
www.gasykamanja.com/v2/tononkira/hosana-antso_ho_anao-3784-detail_artiste.html
@holialivelorazafindratsima7346
@holialivelorazafindratsima7346 Жыл бұрын
@@saryMahefa . Voaray . Misaotra mialoha. Alefanao eto zany ? Mety misy olona hafa koa ho faly hahazo azy manko . Mamerina fisaorana e .
@saryMahefa
@saryMahefa Жыл бұрын
Tononkira Antso ho anao - HOSANA Raha misy ratra am-po Na azom-pahoriana ianao Dia lalana lalovana io mba hanefena anao Na dia mavesatra aza Tsy hanarina ny finoana Ho maivana aminao Rehefa JESOA no antsoina tsarovy koa fa maro No mivavaka ho anao Izay efa niharam-pahoriana mafy toy izao Iray no hitokiany Dia JESOA zay tsy mandao Nampody ny aizan-dava Ho maraina vaovao Matetika na sambany ianao No hiharam-pitsapana toy izao Dia aoka hazava tsara Fa misy tiany ambara Fitiavana no anton’ izao; sady efa antso ataony aminao Hiovanao fo raha tsy fantatrao Valio izao antso izao Na maloka aza ny andronao Tsy mety mibaliaka Hijery anao hatrany anie ’lay ANDRIAMANINTSIKA Mahay ny zavatra rehetra ’zay tsy takatrao Hampody ny aizin-dava ho maraina vaovao Matetika na sambany ianao No hiharam-pitsapana toy izao Dia aoka hazava tsara Fa misy tiany ambara Fitiavana no anton’ izao; sady efa antso ataony aminao Hiovanao fo raha tsy fantatrao Valio izao antso izao Na maloka aza ny andronao Tsy mety mibaliaka Hijery anao hatrany anie ’lay ANDRIAMANINTSIKA Mahay ny zavatra rehetra ’zay tsy takatrao; Ka manatsotra tanana Izy ta-handray anao Tonony sy Feony : Germain Rajaonarivelo
@delcinahnambinitsara7510
@delcinahnambinitsara7510 7 жыл бұрын
tiako loatr ity hira ty 😍😍😍😍
@sylvoalias
@sylvoalias 9 жыл бұрын
"...Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao Ka manatsotra tanana Izy ta-handray anao...!" mankasitraka sy mankatelina tompoko o... Ho amintsika rehetra anie ny Tompo.
@tsiryanjaniaina3654
@tsiryanjaniaina3654 6 жыл бұрын
manasitr jesosy
@sylvoalias
@sylvoalias 13 жыл бұрын
@tikah92able Misaotra anao nanohana ny hevitro o !..... Tiko be tokoa ity hira iray ity !!!♥♥♥♥...
@nirinamimibsleboyrakotomal6408
@nirinamimibsleboyrakotomal6408 8 жыл бұрын
mampietsimpo be io ir io nen nay mitoman fon reefa maeno anio tsara be le izyy mampatsiaro ny ol efa nody mandry
@ramamonjisoahaingo4530
@ramamonjisoahaingo4530 8 жыл бұрын
Thanks Lord . Amen
@khaal3309
@khaal3309 5 жыл бұрын
Tena miatra ny fianako voratra lalandava,Misotra namorona tonikira isanandro aho tsy mitrahatra mihaino ty hira ty
@nirinaramangasalama3265
@nirinaramangasalama3265 2 жыл бұрын
Valio n'y Antso. :-)
@lehilahymahery3927
@lehilahymahery3927 8 жыл бұрын
na dia mavesatra aza , tsy anariana ny finoana
@expres6252
@expres6252 7 жыл бұрын
misaotra e mahazo hery zh rehefa mihaino hira ity misaotra TOMPO ô
@mefran1215
@mefran1215 11 жыл бұрын
tena mampahery, hatsiarovako an'i NJARAMANANTENA Noroniaina Harisolo
@zamberlaitsa
@zamberlaitsa 13 жыл бұрын
misaotra betsaka! manome hery iatrehana ny fiainana mihintsy!!!
@haymanotali2614
@haymanotali2614 7 жыл бұрын
mercy tanora ambohijatovo enganie andr/tra ampitombo taleta anareo ananareo misatra topoko
@saladymamy
@saladymamy 15 жыл бұрын
tena nmpiova ny fiainako ny nahenoko voalohany io hira io ary antenaniko fa mba ho toizany koa inareo rehetra mijery io rakitsary io dera ho an'Andriamanitra
@ramahita7117
@ramahita7117 7 жыл бұрын
fisaorana lehibe an'Andriamanitra ary fahatsiarovana mandrakariva an'i Pasteur Donné
@yvonnerasolofo1310
@yvonnerasolofo1310 9 жыл бұрын
Merci
@ranou261
@ranou261 9 жыл бұрын
hira mba tian'i Dada ity. Mba henoy hoy izy ilay Antso ho anao fa tena tsara raha sendra misy manahirana. Lasa izy ankehitriny dia mampatsiaro azy ilay hira saingy ny ranomaso no manao be firotsaka voalohany. Any ianao izay ry Dada, ny vatana no mety efa vovoka fa ny fitiavana sy ny alahelo anao dia mitombo isan'andro.
@Ema-mi7tx
@Ema-mi7tx 9 жыл бұрын
Mahereza ry se an. Ts mampitondra izay ts zakantsika Atra e..
@ranou261
@ranou261 9 жыл бұрын
misaotra betsaka e :) marina izany. zaka anie ilay izy zaka e fa dia zakaina amin'ny ranomaso aloha hatreto :) any andro mbola hitsiky rehefa matsiaro azy. Androany aho mbola niantso ny téléphone-ny. adala aho e? mbola tsy sitrana ny fery fa rehefa tsy ratra tsony fa fahatsiarovana dia ho manga kokoa angamba ny lanitra.
@Ema-mi7tx
@Ema-mi7tx 9 жыл бұрын
+Les Conseils de Sue Mivavaha foana mba hanananao hery hoentina miatrika ny fahatsiarovana azy... Mananà ihany koa fanantenana fa aza mitolofika izany,tsarovy fa tsy natao hiondrika foana ianao...
@coulimanantsoa70tana
@coulimanantsoa70tana 8 жыл бұрын
+Les Conseils de Sue Andriamanitra hanome hery sy fiononana hoanao sy fianakavianao sarotra adinoina tokou , za d latsaka ranomaso foana raha vao maheno io hira io mahatsiaro le papako koa , fa dia mirary soa hoanao lalandava
@ranou261
@ranou261 8 жыл бұрын
manantsoa bacouli misaotra betsaka. zà koa mbola mitomany foana. asa rahovina ny fo vao mba ho maivana. mirary soa ho anao koa. bà betsaka
@fitiavanarabenjatiana6964
@fitiavanarabenjatiana6964 6 жыл бұрын
Mampahery mihintsy ity hira ity Mankasitraka
@jifryindu7825
@jifryindu7825 9 жыл бұрын
Misava ny alahelo sy ny aditsaina rhfa maheno ity hira ity za
@misstsitsi_marleymspo490
@misstsitsi_marleymspo490 8 жыл бұрын
voninahitra anië ho an andriamanitra irery ihany
@rainidimy
@rainidimy 11 жыл бұрын
Aoka hiderantsika Azy izay rehetra mitranga eo amin'ny fiainantsika fa ataony izany ho antso hiverenana aminy.
@annierahaingo7557
@annierahaingo7557 10 жыл бұрын
tsy mandao tokoa JESOSY
@arletteranjasoaniaina5121
@arletteranjasoaniaina5121 9 жыл бұрын
Maeva 6530 Atolotro ho anao Razandry Faly! izay matatohitra ny onja ihany no ho tafita, herin-tsaina sy finoana mafonja ary fitiava marin no fitaovana isalorana.;;;;;;;;
@joharyramaroson115
@joharyramaroson115 11 жыл бұрын
Misaotra fa tena nampahery ilay hira, fa mba afaka mangataka an'lé hira, tsy haiko ny titre, fa manomboka à lé houé: "tsy ampy ahy ny mandohalika mivavaka"
@charlinerarivonirina9973
@charlinerarivonirina9973 7 жыл бұрын
mahay ny zavatra rht tokoa anie izy e
@domoinanavalonaniaina1702
@domoinanavalonaniaina1702 12 жыл бұрын
misaotra Tompo manefy anay hatrany !! tsapako tokoa f tena tianay Ianao ary manampy anay hatrany Tompo tsy mijery tava Ianao ka manolotra ny famindram-po ho anay !! eny fa na dia mpanota aza izahay Misaotra Tompo ho anao io koa!! miverena fa MBOLA MIANDRY ANAO NY TOMPO, TENA TIA ANAO NY TOMPO
@mihajatianachristian1102
@mihajatianachristian1102 8 жыл бұрын
Isan'andro aho dia mahatoky fa tsy mandeha irery!
@irisnelka1526
@irisnelka1526 7 жыл бұрын
mandria ampiadanana tonton sy tantine malala hoy ny zanakareo kamboty tsy manadino
@lalaina68
@lalaina68 12 жыл бұрын
Misaotra Ray o!
@penguin1976
@penguin1976 2 жыл бұрын
Faly be aho fa naheno ndray anty hira ty, efa ela ihany no tsy nahenoko azy, ny fisiany aza efa saika hadinoko. Fa nefa faly aho fa mampahery ahy fona ny hira no sady mampatsiahy zavatra maro ahy iany ko.
@tina_gabrielle
@tina_gabrielle 13 жыл бұрын
Tena marina tokoa izany ry havana fa raha misy fahoriana mahazo dia saino fa atso ataon'i Jesosy izany fa tsy foiny ho very ianao fa hibebaka hanananao fiainana mandrakizay ( Job 36:8-11, eze 18:23 ) 1jao5:11
@hasinadanielrakotonirina7590
@hasinadanielrakotonirina7590 2 жыл бұрын
Antso ho anao
@tsitohainaandriamahavitara2805
@tsitohainaandriamahavitara2805 9 жыл бұрын
tena marina zany atsiarovako le zandrikeliko efa lasa any aminy tompo izay!!
@TheLalaou
@TheLalaou 14 жыл бұрын
misaotra fa tena ny fiainako no tenen'io hira io. Misaotra ho an'ny mpihira rehetra sy ny mpanadefa @ youtube koa. Andriamanitra anie homba anareo rehetra. Enga anie isika rehetra ahita ny fiadanana ao @ i Tompo. Misaotra.
@sylvoalias
@sylvoalias 14 жыл бұрын
Misaotra tompoko ! "Hidera Azy @ aponga tapaka sy ny dihy aho !" "Hidera Azy mandrakizay ny tanako ary ny saina amam-panahiko ! " manja be !
@roselinesoamanoro926
@roselinesoamanoro926 6 жыл бұрын
thanks you for save lovely lord
@FOXi_san
@FOXi_san 2 жыл бұрын
Amen🙏🙏🙏
@coulimanantsoa70tana
@coulimanantsoa70tana 9 жыл бұрын
Ho fahatsiarovana ny Papako malala tsy foiko, Ramananjanahary Michel , Hira ny fianakaviana natao tao am-piangonanan fanaovana veloma farany , mandria am-piadanana Papa malala, 14 mars 2015 , 1 volana sy tapany @ izao ora hanoratako izao izay no lasa ,14/03/2015 _ 25/04/2015 tsy nahitanay zanakao anao intsony ,jesosy hiahy ny fanahinao Papa , hianoka eo amparadisa anie ianao , mivavaka hoanao foana zahay zanakao , na tsy hitanay intsony aza , bdb ny soa sy mamy , fitiavana navelanao hoanay zanakao , MANDRIA AMPIADANANA PAPA MALALA TSY FOIKO INDRINDRA velona ato amponay zanakao sy vadinao foana ny anaranao
@fabiolarakotomavo2835
@fabiolarakotomavo2835 9 жыл бұрын
Mahereza... Mino aho fa efa eo anilan'ilay Ray be fitiavana izy amin'izao
@Ema-mi7tx
@Ema-mi7tx 9 жыл бұрын
mahereza Manantsoa antsy mampitondra izay tsy zakantsika Andriamanitra.
@coulimanantsoa70tana
@coulimanantsoa70tana 9 жыл бұрын
+Fabiola Rakotomavo misaotra bdb Fabiola ,
@coulimanantsoa70tana
@coulimanantsoa70tana 9 жыл бұрын
+Ema 123 , misaotra tompoko
@ranou261
@ranou261 9 жыл бұрын
+manantsoa bacouli Mahereza e Ahatsiarovako ny dadako koa ity. lasa talohakelin'i Papanao ny raiko. Mbola mafy ny alahelo nefa ny hany fiononana dia hoe eo akaikin'ny Ray izy.
@974LTC
@974LTC 11 жыл бұрын
Mankasitraka ary misaotra ireo mpihira fa tena mahafinaritra ny miaino azy
MATOKY ANAO HOSANA AMBOHIJATOVO FITIAVANA
4:47
Mino-Zo Ratovonelimalala
Рет қаралды 1,6 МЛН
SOA JESOA FA TEO IANAO -  AMPIFITIA ( FJKM ISOTRY FITIAVANA)
5:27
andriaamahenina
Рет қаралды 4,2 МЛН
Секрет фокусника! #shorts
00:15
Роман Magic
Рет қаралды 117 МЛН
Apple peeling hack @scottsreality
00:37
_vector_
Рет қаралды 127 МЛН
Will A Guitar Boat Hold My Weight?
00:20
MrBeast
Рет қаралды 205 МЛН
Fihirana Fanampiny 19 Raha Jehovah no mpiandry
6:05
Ranja Arinala
Рет қаралды 883 М.
Tena mino va ianao. HOSANA AMBOHIJATOVO
5:06
kalapiso1
Рет қаралды 152 М.
Hain'ny Tompo - Pasteur Jocelin (lyrics)
7:31
Zara music
Рет қаралды 403 М.
injao fa miantso ahy
6:16
Elisa Brice Randrianasolo
Рет қаралды 560 М.
MIVAVAKA HO ANAO   Hosana Ambohijatovo
5:09
Pauline Audrey Cassiraghi
Рет қаралды 118 М.
Ny fanahiko - Ndriana Ramamonjy
4:18
mozika
Рет қаралды 1,7 МЛН
Antsan'i Kristy - tohano mafy
6:18
gasytiamozika
Рет қаралды 1,4 МЛН
Playlist Fihirana FFPM  Fampaherezana
17:17
Ranja Arinala
Рет қаралды 107 М.
NY FIAINANA AN TANY - TANORA MASINA ITAOSY
13:37
RAMAMY CELIN
Рет қаралды 373 М.
HATRAMIN'NY FARANY | Henika | Cevam Church
5:13
cevam network
Рет қаралды 3,5 МЛН