Tsara ny Tompo

  Рет қаралды 27

tovo fetra ramanantsoa

tovo fetra ramanantsoa

Күн бұрын

"25 Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary* roa ambin'ny folo taona [*Gr. narary nandeha rà] 26 sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza; 27 koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany. 28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Gr. voavonjy] 29 Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny*, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.[*Gr. fandehanan'ny ràny]
30 Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe : Iza izany nanendry ny lambako izany ? 31 Fa hoy ny mpianany taminy : Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy? 32 Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany. 33 Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra. 34 Ary hoy Izy taminy : Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.[*Gr. namonjy]
(Marka 5:25-34)
Toriteny nataon'i RAMANANTSOA Tovo Fetr'Antenaina, Mpitandrina tao amin'ny Foyer Protestant 2 rue des tonneliers 67 300 Schiltigheim Strasbourg ny alahady 22 septambra 2024.

Пікірлер
Tsy maintsy hisy foana ny fanafintohinana
20:38
tovo fetra ramanantsoa
Рет қаралды 43
Ataovy mpianatra ny firenena rehetra
25:07
tovo fetra ramanantsoa
Рет қаралды 61
Manaràha an'Andriamanitra amin'ny fahatsoram-po
14:51
tovo fetra ramanantsoa
Рет қаралды 18
Tsinjovy ny firaisan'ny fiangonana tsy ho simba
19:51
tovo fetra ramanantsoa
Рет қаралды 29
Fomba fitehirizana ny fifandraisana ho tsara
14:18
tovo fetra ramanantsoa
Рет қаралды 30
Ny kristiana sy ny fahoriana
21:42
tovo fetra ramanantsoa
Рет қаралды 31
Ny fahefan'i Jesoa Kristy
16:32
tovo fetra ramanantsoa
Рет қаралды 31
"Vous serez saints car Je suis saint"
16:44
tovo fetra ramanantsoa
Рет қаралды 26
Le Seigneur est merveilleux
7:21
tovo fetra ramanantsoa
Рет қаралды 16
La Sainte Messe du jour | Les Saints Innocents, Martyrs | 28-12-2024 | P. Achille José Nkomo B, FM
37:11