Рет қаралды 1,323
T & F : Ranaivo-Ranarivelo. Rodobe Fidimalala sy R'imbosa.
ARAHABA TSIVAKIVOLO
Dô dia Ab
RODOBE
Arahaba tsivakivolo arahaba
Tafahoana ka aoka kely hikotaba
Lahy e, lahy e, lahy e,
Tratrantsika ny toro-taona
Ela ihany vao tafahoana
Lahy e, eny e ry lahy e
Tratrantsika ny toro-taona
K’arahaba
Ela ihany vao tafahoana
Fa tafahoana
Miramirana izao ny endrika
Samy tafita
Fa tafita tsy misy rendrika
Lahy e,
Lahy e, lahy e
Miramirana izao ny endrika
Fa tafita ô tsy misy rendrika.
(Fasy fy saikiny) Arahaba tsivakivolo arahaba
Tafahoana ka aoka kely hikotaba
Lahy e, lahy e,
Lahy e, lahy e,
Koa aza misy misara-bazana
Fa venteso ny kalokalo
Hanatero ny dihin-drazana
Aza menatra na mimalo
Koa aza misy misara-bazana
Misara-bazana
Asandrato ny kalokalo
Ny kalokalo
Hanatero ny dihin-drazana
Ny dihin-drazana
F’aza menatra na mimalo
Lahy e
Lahy e, lahy e,
Miramirana izao ny endrika
Fa tafita ô tsy misy rendrika.
Ka ny hira zay ho kaloina
Lahy e, lahy e,
Sy ny kalo izay ho vetsoina
Lahy e, lahy e,
Dia ilay hira manjelajelatra
Sy ny kalo mampitokelaka
Dia ilay hira manjelajelatra
Sy ny kalo mampitokelaka
Mifoha raha tsy maharitra ô
Ka venteso izay mahafinaritra
Dia ilay hira manjelajelatra
Manjelajelatra
Sy ny kalo mampitokelaka
Mampitokelaka
Ny fiainana tsy maharitra
Dia tsy maharitra
Ka venteso izay mahafinaritra
Lahy e
Lahy e, lahy e
Miramirana tafahoana
Arahaba fa tratry ny taona.
Ranaivo RANARIVELO