Рет қаралды 23
🌿FORMAPROD, 10 taona niasana ho amin’ny fampandrosoana ireo tanora misehatra eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Fandaharanasa teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana izay novatsian’ny FIDA, na Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho amin’ny Fampandrosoana ny Fambolena vola.
🌿Tratra ny tanjona napetraka tamin’ny ankapobeny teo amin’ny fanatsarana ny taham-pamokarana eny ambanivohitra sy ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano.
👉Mahatratra 105.624 ireo tanora nisitraka fiofanana ara-pamokarana tany amin’ireo Faritra miisa 14 niasana raha miisa 100.000 no nokendrena izay manome salan’isa 103% 81.465 no nisitraka kit ho fampiharana ny fiofanana azo, manodidina ny 35.410 ireo nahazo tohana hanombohana ny asa fandraharahana atao ary 20.320 ireo tanora efa tafiditra ao anatin’ny fandraharahana ara-bola.
👉Teo amin’ny lafin’ny Fotodrafitrasa izay anisan’ny fototry ny fahombiazan’ny tanora dia 4.280ha ny velaran-tany vita fanajariana nanovana asa fambolena. Ivon-toeram-piofanana misa 64 no nahorina sy nasim-panavaozana raha 59 ireo novatsiana fitaovana.
👉Miisa 27 ireo toeram-panodinana sy fitehirizam-bokatra naorina sy nohatsaraina ary 156 km ny lalan-tany vita fanarenana. Nahatratra 53.128 ny asa vaovao voaforina tamin’ny tohana nataon’ny Fandaharanasa Formaprod.
🌾“Nanova ny fiainako ny fampiharako ireo fiofanana azoko nomen’ny Fandaharanasa FORMAPROD. Ankehitriny afaka mampian-janaka aho, manana trano, miompy sy mamboly ary mahavelon-tena tanteraka”, hoy Ramatoa RASOAMIARINTSOA Henriette, tanora avy amin’ny Faritra Analamanga, nisitraka fampiofanana sy tohana avy tamin’ny Fandaharanasa FORMAPROD.
Nomarihin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RATOHIARIJAONA R. Suzelin, nandritry ny lanonam-pamaranana, ny Fandaharanasa FORMAPROD teto Antananarivo ny 03 jolay 2024 fa zava-dehibe ho an’ny Minisitera ny fisian’ny fiofanana sy fanofanana tanora mba ahatonga ireo tantsaha mpamokatra ho matihanina ary hanatsarana ny velon-tenany. Nohamafisiny ihany koa fa nahavelom-bolo ny vokatry ny zava-bita taorian’izao fifaranan’ny Formaprod izao.
👌Tonga nanotrona ny fotoana ihany koa ny Directeur Pays FIDA eto Madagasikara, Andriamatoa Joseph Rostand Biwole, izay nanasogadina ny vokatra tsara azon’ny Fandaharanasa FORMAPROD ho an’ny tanora Malagasy.
#MINAE
#FORMAPROD
#Fida