Zany no tena hira malagasy afaka mitety vanim-potoana, aza avela ho faty ny hira tahaka itony ho izay manan-talenta fa vakoka lehibe ho an'ny taranaka any aoriana. Tena tsara amin'ny lafiny rehetra. Misaotra an'Ifanihy. Janvier 2021.
@vololonirinarabarinarivo5413 Жыл бұрын
Indray takariva sembatsemban-drahona, Teroa ambinan’Itsilazaina ilay falehako Ny lakan-kely iray natopatopan’ny alona, Nikarenjy tanivon-drano tomorin’ny oram-baratra, Nanezakezaka ny hamonjy tora-pasika. Nalefako teny an-tanana ny fijeriko, Indreo eo ny mpianakavy e sasa-miandry amorom-pasika Ny vely lamako injao manakoako, Fa ho avy hono i Lemena ô! hitondra trondro vaoavao, Rahoviana ihany lahy no hiverina i Lemena. Naveriko teny anivon-drano ny fijeriko, Indry eny i Lemena, Lemena sy ny lakany, Natsipitsipin’ny onja ka naniditsidina, Nony farany nilentika e rendrika tsy tazana, Nantsoina ka dobok’onja no nanoina. Mba nanao ahoana ny tao an-tanana, Indreo eo ny mpianakavy mbola miandry amorom-pasika Ny vely lamako injao mbola manako, Fa i Lemena kosa e efa lasa nialoha lalana, Veloma madinidinika i Lemena , Masina fatempatenana i Lemena.
@thierrylaugier32457 жыл бұрын
Très belle chanson au son presque péruvien ! On ne peut qu'aimer !