Рет қаралды 37
"1 [Ny mety hataon'ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon'olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema*; [* Gr. salama] 2 ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka* amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. [* Gr. salama] 3 Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampi-anatra ny zavatra tsara, 4 mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, 5 hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy* ny tenin'Andriamanitra". (Titosy 2:1-5)
Toriteny nataon'i Pasteur RAMANANTSOA Tovo Fetr'Antenaina tao amin'ny FJKM Nantes Fanantenana tamin'ny alahady 28 aprily 2024.