Рет қаралды 32
Miarahaba antsika rehetra manaraka izao Fampaherezana izao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hatrany ny tenako. Mbola ao anatin’ny fanazavana hatrany ny fizahan-toetra ny fanahy isika izay tokony hananana ilay « Esprit de discernement » araka ny I Jaona 4 :1-3. Niresaka t@ Nikodemôsy i Jesosy satria ilay nofo no fantatr’i Nikodemôsy fa tsy fantany hoe efa nisy h@ izay i Jesosy ilay Fanahy (Jaona 3 :13-15) fa na i Filipo koa aza tsy nahatakatra ny maha-Atra an’i Jesosy. Araka ny Hebreo 10 :5-7 « Raha te-hahalala an’i Jesosy dia mila miondrika ao @ Tenin’Atra ». Fa hanomboka hanazava ny fanoharana nataon’i Jesosy @ fifampitahana ilay menarana nahatona t@ hazo @ tenany isika araka ny Jaona 3 :14-15 izay voalaza tany @ Nomery 21 :4-9. Tsy mila maika anefa isika fa mila manaraka ny làlana hitondran’Atra (Eksodosy 13 :17-18). Koa mahereza hatrany rahalahy sy ranabavy
Pasteur ANDRIAMALALA Rodin!