Рет қаралды 1,887
Lapam-panjakana ao Iavoloha, ny Alakamisy 09 Janoary 2025. Raha misy isan-karazany ny fomba ivavahana ho an'ny mpino Kristiana dia izao no tena marina aloha : IRAY SY TOKANA IHANY NO ANDRIAMANITRA IVAVAHANA. IRAY IHANY NY BAIBOLIN'NY KRISITIANINA na dia misy voambolana tsy iarahana (toa Jesosy, Jesoa, Jehovah sns...). Ary miala avy amin'io Baiboly io ny fanabeazana omena ny mpino kristianina maneran-tany.
Saingy nisy nampiditra resaka politika ny fitorian-teny ao amin'ny Fjkm, nanomboka ny taona 2002, any ka nalehon'ny tena mpino kristiana malagasy naneho ny safidiny eo amin'ny fomba fiderany an'Andriamanitra.
Tsiahiviko eto, ho an'ireo tsy dia misoka-tsaina loatra, fa any Etazonia tany mihitsy aho nanadiady fa tsy mbola nataoko lahatsoarata dia maro dia maro ireo fiangonana evanjelika ary mandray anjara amin'ny fitondrana ny firenena any, fa kosa tsy ny finoana no atao fitaovana ho tombontsoan'olombelona tokana...