MISY ZAVATRA TSY HIOVA MANDRAKIZAY !

  Рет қаралды 49

manaisanandro

manaisanandro

Күн бұрын

Rehefa nipetraka tamin'ny firenena maro izahay nandritry ny taona maro dia matetika misy fahafahana mandeha mamangy olona any amin'ireny toerana samihafa ireny ary tena mahavariana ny mahita ny fiovan-javatra; miova ny olona, miova ny toerana, miova ny toetr'andro, miova ny fomba fanaovana zavatra.
Miaina ao anatin'ny tontolon'ny teknolojia isika, ary mahatalanjona ny fivoara'ny teknolojia isan'andro isan'andro mandritry ny taona.
Tadidiko taona maro lasa izay an! Rehefa mamandrika fiaramanidina aho dia mila mandeha any amin' ny birao misampana mikarakara an'izany. Manana boky toro-lalana be izy ireo, na ho an'i "Air France", na ho an'i "British Airways", na ho an'ny "Delta", ets..ets..., avadibadiny eo ilay boky be, efa misy pejy amanarivony, ao izy no mitady ny sidina sy ny firenena handehanana.
Amin'izao fotoana kosa ! Inona no ataontsika? N'aiza n'aiza misy antsika dia alaina ny finday, dia ao amin'ny finday dia afaka mitady ny sidina, afaka mamandrika ny sidina, afaka mandoa ny saran'ny sidina, afaka manao izany amin'ny internet, afaka mahazo ny karatra fihaingana amin'ny internet. Izany rehetra izany dia afaka atao amin'ity finday kely ity, tena miova ny toe-javatra! tena tsy mampino !
Fa ao anatin'izany rehetra izany! dia misy zavatra iray azo antoka! misy zavatra tsy hiova mihintsy! dia ny Tenin'Andriamanitra, Ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra dia tsy hiova mandrakizay.
Isaia 40 : 8 :" Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay."
Misy olona miteny fa ny Tenin'Andriamantira dia tokony atao mifanintsy amin' ny vanim-potoana misy antsika izao, mila atao mifanaraka amin'ny toe-javatra, Misy olona milaza fa ny Tenin'Andriamanitra dia tokony miova manaraka ny toetr'andro. Milaza izy ireo fa tsy vita e! isika anie miaina amin'ny fotoana moderina e! tsy afaka hiaina amin'ny fomba fanao taloha isika!
Fa mba fantatrareo moa! Ny Tenin'Andriamanitra dia ampiharina lavitra kokoa amin'izao fotoana izao nohon'ny teo aloha aza! Ary amin'ny maha kristianina antsika sy ianao, ny Tenin'Andriamanitra no tokony ho fototra hiorenantsika. Ny fahamarinan'ny TeninAndriamanitra, dia mila tonga fiainana ho antsika mihintsy, mitarika antsika amin'ny fiainantsika, mitarika antsika amin'ny fahamarinantsika, mitarika antsika amin'ny fomba fisainantsika, mitarika antsika amin'ny fomba fiainantsika isan'andro, mitarika antsika amin'ny ankohonantsika, mitarika antsika amin'ny fitantanam-bolantsika, mitarika antsika amin'ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainantsika.
Tsy miova Izy ary tsy hiova mihintsy. Ny Tenin'Andriamanitra dia tsy miankina amin'ny hevitro na amin'ny hevitrao. Tena mahagaga fa ny toko lava indrindra ao amin'ny Baiboly dia ny Salamo 119 ary miresaka lohahevitra tokana dia ny Tenin'Andriamanitra izany! Fanilon’ny tongotro Sy fanazavana ny làlako ny teninao. ( salamo 119:105).
Te hanao fanamby aminao aho ary te hampahery anao hankamamy ny Tenin'Andriamanitra: Vakio, Hianaro, saintsaino ny Tenin'Andriamanitra.
Avelao izany hameno tanteraka ny fonao sy ny sainao ary aoka hamirapiratra eo amin’ny fiainanao ny fahazavan’ity Tenin’Andriamanitra sarobidy ity.
Andriamanitra anie hitahy anao!
Peter MCkenzie
"That's the way I see it!
CTMI

Пікірлер
TSY MISY NA INONA NA INONA AZOKO!
3:19
manaisanandro
Рет қаралды 218
La loi quantique : "une fois que vous maîtrisez ceci, le changement se produit"
16:51
Expected Ending?
00:45
ISSEI / いっせい
Рет қаралды 4,9 МЛН
Or is Harriet Quinn good? #cosplay#joker #Harriet Quinn
00:20
佐助与鸣人
Рет қаралды 60 МЛН
5 FAÇONS de PARLER à l'UNIVERS - Demandez et vous recevrez !
30:00
Murmure Serein
Рет қаралды 284 М.
7 signes que les anges vous rendent visite | Islam
11:26
Paix et sagesse
Рет қаралды 21 М.
Arrête de dire JE NE COMPRENDS PAS 🤔 en français !
7:36
Français avec Pierre
Рет қаралды 11 М.
NY ALITARAN'NY FANEKENA VAOVAO
3:19
manaisanandro
Рет қаралды 87
L'Univers T'ISOLE pour une RAISON, Ne Désespère Pas | Carl Jung
44:18
La Synchronicité
Рет қаралды 234 М.
Mon plus gros problème avec l’islam
28:54
Le Miroir
Рет қаралды 20 М.
NY FIZAHAN-TOETRA VE MAHATONGA ANAO AHERY?
3:24
manaisanandro
Рет қаралды 126
Faites-les VENIR À VOUS en Maîtrisant Ces 10 Habitudes | Stoïcisme
36:35