Рет қаралды 10
"8 Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. 9 Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan'Andria-manitra aho. 10 Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo. 12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?
13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsan-gana; 14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo". (1 Kor 15:8-14)
Toriteny nataon'i Pasteur RAMANANTSOA Tovo Fetr'Antenaina nandritra ny fanompoam-pivavahana fankalazana an'Andriamanitra natao tao amin'ny FJKM Peniela Fitiavana Paris ny alahady 14 jolay 2024.