Maro ny roy fa tsy tambo isaina ny vony ao an-tsaha Ny isany mantsy tsy takatra an-tsaina fa maro mpizaha Raha toa tanisaina isan-toko izy ireny dia be samihafa Miavaka anefa ilay Voninavoko izay tiako hitafa Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady Na verovenina na violety mijoro toa kiady Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko) Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko Ny beldezoro dia tsy azoko afenina fa tena ambony Ary manalasala ny fiandry lavenona mody tsy mony Mpanjakan’ny hazo ireo telomiova fa toa hafa foko (hafa foko) Tokana kosa ilay tena tsy miova dia voninavoko Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady Na verovenina na violety mijoro toa kiady Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko) Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko Ireo voninkazo voalazako teo sy ireo sisa rehetra Raha maintany dia miova ny vony sy ny hery rehetra Fa tokana kosa sy mahaleotena na dia valambalana Ilay voninkazo iray tena kanto eny an-tanimalalaka Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady Na verovenina na violety mijoro toa kiady Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko) Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko
@FiombonanaNarindraRamitombonir22 күн бұрын
Kanto loatra❤
@rijaniainaranaivo976 Жыл бұрын
mampanembona loatra izy izany!!
@sharafhamidi95433 жыл бұрын
Tsara! Tena kanto!
@nirinaramangasalama32652 жыл бұрын
Mankasitraka nizara. :-)
@herimannrakotovao34555 жыл бұрын
velona mandrakizay DADAGABY
@fiambymanatina3624 жыл бұрын
Gasy ka tsara🇲🇬🇲🇬🇲🇬
@TheGeorgette19542 жыл бұрын
Tena mafinaritra ery e♥️ Fanontanina kely ô : Inona n'y atao hoe Voninavoko?. Misaotra Amin ' izay mamaly, makasitraka ❤️
fa tokana kosa ilay tena tsy miova dia voninavoko.... Marina izany e! Manja ny an'ny hafa, fa ny antsika kosa tsy miova fa tokana loko toy Ny Voninavoko.
@norianoria9246 жыл бұрын
Tsara e
@norianoria9246 жыл бұрын
Eee ! Mandria ampiadanana dada tiako
@artmxstudio86516 жыл бұрын
Ny OLONA no mandao tsy safidy izany fa tonga ny antso dia tsy maintsy, nefa ny KANTO navelany dia mampahatsiahy fa nisy olo manga nandalo teny ho eny, manantena anefa mbola ho eo LILI hamelomaso ny KALO NY FAHINY hatrany
@cybernis36976 жыл бұрын
@@artmxstudio8651 f'angaha i LILI moa zanak'i Dadagaby?