TRANOBE IOMBONANA

  Рет қаралды 1,410

Centre Arrupe Madagascar CA MDG

Centre Arrupe Madagascar CA MDG

3 жыл бұрын

Toetr’andro mikorontana, ny rivotra maloto
Fitrandrahana mibanaka, mitohy tsy misy farany
Ala miha ritra, ny tany karakaina
Nopoten’olombelona ny lovanjanahary
Tsy mahay mifandefitra mba hifanasoa
Mifamono mifandripaka tsy misy indrafo
Ny dorotanety miha maro mirongatra
Mihotsaka ny tany ny rano tondraka
Zanak’olombelona mamotika isan’andro
Tsy mitsinjo afara na maraina na atoandro
Ny dorotanety sy ny fanapahan’ala
Mirongatra foana, tsy misy fiafarana
Ny oram-baratra mikija, rivo-doza, tondra-drano
Mamono mandrodana sy manenjera trano
Anisan’ny vokatry ny fanimbana ala
Ka mitandrema fa aza mody adala
Tranobe iombonana e! ny planeta tany
Tsy maintsy hajaintsika e! fa lovantsika izany
Isika olombelona ô! no ivon’ny tontolo
Ka kolointsika e! amin’ny fo manontolo
Tendrombohitra, lohasaha, ranomasina, nomeny
Fitiavan-Janahary no dikan’izy ireny
Mifampiankina amin’ireo ny fiainantsika rehetra
Ka aoka isika hitandrina handray ireo fepetra
Aoka ho tandremana ity tanintsika ity
Fa mbola honenan’ireo taranaky ny zafim-paladia
Ny tranobe iombonan’izao tontolo izao
Iaraha-miaina izay efa fantatrao
Ny tontolo iainana izay lovain-jafy
Aoka omena hasina sy tsy hasian-dratsy
Isika olombelona dia tian-Janahary
Nomeny tontolo tsara ahafahana mihary
Mifampiankina isan’andro ny fiainan’olombelona
Ka mila mifanaja miray hina mifamelona
Fiaraha-monina mirindra no tanjona ho tratrarina
Hanjakan’ny rariny ny hitsiny ny marina

Пікірлер
Zazakanto • RTA & L'Express de Madagascar
4:08
L'Express de Madagascar
Рет қаралды 2,3 М.
Return to the present - série Tranobe iombonantsika
3:39
Centre Arrupe Madagascar CA MDG
Рет қаралды 224
Как мы играем в игры 😂
00:20
МЯТНАЯ ФАНТА
Рет қаралды 1,8 МЛН
How the Computer was Accidentally Invented
8:40
Newsthink
Рет қаралды 20 М.
Kajio ny natiora - Nomena -  Green Weekend 2022
3:12
Centre Arrupe Madagascar CA MDG
Рет қаралды 24
Mivavaha - FLM Ambohimandamina SPBM
3:29
Tsimaniva Amboara
Рет қаралды 152
Ny zava maniry sy ny fahasalamana
3:18
Centre Arrupe Madagascar CA MDG
Рет қаралды 104