Рет қаралды 424
Hitarika hatramin’ny fiovan’ny lalana mifehy ny ara-piarahamonina sy fifampifehezana an-tokantrano ny fandaniana ny ITG (Interruption Thérapeutique de Grossesse) eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Ankoatra izay, endrika famonoana olona izay tsy tafiditra anatin’ny soatohavina Malagasy ary fomba voapetraka ho fady hatry ny Fahagola izany, hoy ny Andriana Robert Randrianantoandro Ray aman-dreny ara-drazana ao amin’ny Tranoben’Imerina Ambohimanga. Maro endrika ny famonoana olona misy ankehitriny , ireo lalàna mifehy azy ireny no tokony hamafisina raha ny tokony ho izy ; ny mifanohitra amin’izany anefa no hitranga raha iniana holaniana ny lalàna manome alalana hanala zaza na inona antony na inona, hoy ny fanazavana.