Рет қаралды 343
Niroborobo ny sehatry ny voninkazo hatramin’ny fotoam-pihibohana, sady fialamboly no fidiram-bola maharitra izy ireny amin’ireo mpankafy azy. Nohararaotina fotsiny ihany ny fitiavana mamboly ho lasa fidiram-bola, araka ny fanazavan’i Miora avy ao amin’ny Miu Garden. Maro karazana ny voninkazo, saingy nisafidy ny ho matihanina amin’ny voninkazo matavy (plantes grasses sy succulentes) ny tenany. Tsy mora anefa no mahazo ireo vokatra noho ny ankamaroan’ny karazany tsy misy eto an-toerana ka voatery manafatra any ivelany ; mitombo manaraka izay ihany koa ny vidin’ny tolotra ho an’ny mpanjifa.
Nohararaotina ny fisokafan’ny fihibohana, hoy ny mpikarakara ny varotra fampirantiana etsy amin’ny Cercle Franco-Malagasy Anosy. Hatramin’ny taon-dasa, voasakan’ny hamehana ara-pahasalamana ny hetsika fanao isan-taona mialoha ny fetin’ny reny ohatra izao. Fanomezana fahafaham-po ny reny rehetra sy ny mpitia voninkazo ary fanatrarana ny fahatarana, araka izany , no anton’ny hetsika amin’izao vaninandro izao, arak any fanazavana.
Ahitana ireo karazam-boninkazo rehetra, nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny asabotsy izao ny varotra fampirantiana voninkazo etsy amin’ny CFM Anosy.