Toa tsy ho ela dia ho foana izao tontolo izao Soa ihany aho fa nihaona sy nahalala anao Fa teny amoron-kady ny antsana no tazana Nitodika aho nitady tsy sandry ihantsampazana Ny manodidina ahy toa maona sy pokaty Ny hatsaram-panahy nandositra sa maty? Na ny fitserana aza lasa nandao koa ny fo Tsisy teny ahalaza ny alaheloko Indrisy ny fitiavan-tena Ny loharanon’ny maloto Tsy mety ritra tsy hay fefena Ka lasa rano fisotro Tsy misy atahorana Hitsakitsahina daholo Nahilika nodorana Ny Fahendren’ny Ntaolo Fa tonga ianao nivatsy finoana sy fitiavana Handresy ireo ratsy hampiray, hampihavana Ka ny fitiavana no hasetriko ny sompatra Ny manodidina ahy ny fony iriko hisokatra Fa tsisy lalan-tsarotra Na fitsapana mety handavo Fa ao hitsinjo hanavotra ANDRIAMANITRA AVO tiko be..mer6 zoky be Dadah...grand legende...Mpihira Malagasy tiko indrindra....MAHALEO...respect ...