Рет қаралды 14
Miarahaba antsika rehetra manaraka izao Fampaherezana izao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hatrany ny tenako. Misy karazany roa hoy isika ny Paska dia ilay t@ faha-14 volana Nisana izay t@ 25 Marsa 2024 sy ilay Paska t@ 31 Marsa 2024. Fa vokatr’ireo Paska ireo dia tsy mitovy ihany koa ny daty ny Pentekosta dia ny 14 May 2024 sy ny 19 May 2024 izay 50 andro taorian’ny Paska, ary ny Pentekosta ara-baiboly dia dimapolo andro taorian’ny fahafatesan’i Jesosy t@ faha-14 volana Nisana. Raha taty @ Testamenta vaovao dia ny filatsahan’ny Fanahy Masina no nahazoan’ny Apostoly Hery raha araka ny Asan’ny Apostoly 1:4-8, Asan’ny Apostoly 2:1-4. Hanazava lalina io Fanahy Masina izay nirotsaka t@ Pentekosta io isika izay “Pneuma” @ teny grika satria Atra dia Fanahy (Jaona 4:24) ary ny asany dia hazavain’i Jesosy ao @ Jaona 16:7-15. Izany hoe raha vao mirotsaka io Fanahy io dia ny fahotan’ny olona no tokony ho hitany voalohany. Araho tsara anie ny fanazavana fa hazava amintsika io Fanahy mirotsaka @ Pentekosta io e! Mahereza rahalahy sy ranabavy.
Pasteur ANDRIAMALALA Rodin!