Рет қаралды 28
Miarahaba antsika rehetra manaraka izao Fampaherezana izao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hatrany ny tenako. Vita iny ny Pentekosta na ilay t@ 14 May 2024 na ilay t@ 19 May 2024. Fa ny mahamaika ny kristianina dia ilay famantarana kanefa na ilay fanahy avy @ devoly na ilay Fanahy avy @ Atra dia samy misy famantarana avokoa, fa ny tokony hofantarina dia fanahy inona no noraisintsika t@ Pentekosta? Ary na ny mpianatra aza dia mbola tsy tena nahatsapa io asan’ny Fanahy io ka nahatonga an’i Jesosy niteny taminy hijanona ao Jerosalema aloha (Asan’ny Apostoly 1:1-8). Ary t@ fahadimapolo andro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy dia nirotsaka ilay Fanahy (Asan’ny Apostoly 2:1-4) izay hazavain’i Jesosy ao @ Jaona 16:7-15 ny tena asany satria nisy tsy finoana na teo @ mpianatra aza (Lioka 24:17-24). Fa ny ilazan’i Jesosy ilay Fanahy dia Fanahin’ny Fahamarinana, Nefa manafatra i Jaona (I Jaona 4:1-3) fa misy karazany roa ilay fanahy ka fanahy inona no voaraintsika tao @ ireo Pentekosta roa samy hafa ireo? Araho tsara indray anie ny fanazavana fa tsy misy fanerena antsika fa mba hamantarantsika ny Marina. Mahereza hatrany rahalahy sy ranabavy.
Pasteur ANDRIAMALALA Rodin!