Рет қаралды 53
Miarahaba antsika rehetra manaraka izao Fampaherezana izao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hatrany ny tenako. Araka ny efa nianarantsika teto dia androany Alatsinainy 25 Marsa 2024 no tena Paska ara-baiboly, koa miarahaba antsika rehetra tratry ny Paska. Raha ny tantara dia babo tao Egypta ny zanak’Israely ary tsy nahatsiaro an’i Jehovah nandritry ny 430 taona ka rehefa niverina nahatsiaro an’i Jehovah dia vonona Atra ny hanafaka azy tao Egypta ary izay no tantara niandohan’ny Paska. Izay tsindriantsika hatrany araka ny Eksodosy 12 :1-6, I Korintiana 5 :7b fa ny fahahatesan’i Jesosy no tena Paska fa tsy ny fitsanganany izay no marina araka ny Soratra Masina. Ny zanak’Israely 430 taona no tsy nahatsiaro an’i Jehovah fa isika kristianina efa an’arivo taonany no namilana ny Fahamarinana fa ny Paska dia fitsanganan’i Jesosy. Raha ny Lioka 13 :1-9 dia mbola mamindra fo amintsika Atra ka « Paska Famindrampo ity taona 2024 ity ka vonona hanaraka ny Marina ve isika? ». Araho h@ farany anie ny fanazavana e! Mahereza hatrany rahalahy sy ranabavy
Pasteur ANDRIAMALALA Rodin!