Na ranomaso aza indraindray Toa tsy ampy hamafa izay nahazo ahy Toa resin’ny fiainana ka leo Satria lavitra Anao Izay mba nandrandraiko ho ahy Nofy mielina tsy ho azoko Na dia nanao izay azo atao Tsinontsinona aho fa tsy eo Ianao Teo aho vao tonga saina hoe Hay tsy miankina Aminao Fa nalahelo aho tsy araka izay Nantenaiko no nitranga ho ahy ’Zay aho vao tonga saina Fa ianao mahalala izay mety ho ahy Dia nitalaho aho tamin’izay Izay mba fifaliako sy izay rehetra tiako Aza simbaina intsony Ireo no sisa ananako Ny olona nataoko ho tia ahy Nanadino ahy mora foana Na dia nanao izay ho afako aho Toa vao maika mankarary ahy ’Zay vao nahatakatra aho fa Hay izaho lavitra Anao Fa nalahelo aho tamin’izay Hoe nahoana izao no mahazo ahy ’Zay aho vao tonga saina Hay aho tsy miankina Aminao Izao aho fa manana Anao Ho reharehako sy andriko Raha sendra lavo aho dia tohananao Efa manana Anao aho Tsy ho kivy,tsy hitomany intsony aho F’ianao efa nilaza fa tsy ho avelanao ho very aho Satria aho tianao Manana Anao ho ahy rahatrizay IZAO AAAAAAAAAAAAAHO!!!!!! ............ FA MANANA ANAAAAAAAAAAAAO!!!!!!!! ............ FA MANANA ANAAAAAAAAAAAAO!!!!!!!! ............ FA MANANA ANAAAAAAAAAAAAO!!!!!!!! ............ tononkira.serasera.org/hira/gmmc/manana-anao-1
@onyjerimalala4 ай бұрын
Mbola mihaino an'ito hira ito foana aho katramzao! tena tiako loatra 😍🥰
@joachimramaroson40303 ай бұрын
za ko ar ko
@Mimi123509 ай бұрын
Tsara be le harmonie sy le mélodie 🎼 🎶 anle hira an 🤍🤍 🤍
@heidansue68874 жыл бұрын
Natolotro ho anao ity hira ity Panda talohan'ny nandraisana anao ho diakona. ..ampiverina anao ao @ Tompo...indrisy nefa fa 2taona ihany ianao dia niverin-dalana indray ary very tanteraka. . tsarovy fa ny Tompo tsy hanary anao mihitsy anefa...on te porte toujours en prière jusqu'à ce que tu reviennes définitivement à ton Dieu, ton Père.
@miarisoadomoinaraholison38466 жыл бұрын
indray mipi-maso tokoa de mety handao ny tany isika, soa aho fa manana Anao. tena mankahery ahy tokoa ity hira ity
@andyramah1053Ай бұрын
29/10/2024 🙏🥺
@rijmnn5 жыл бұрын
Janvier 2019, mbola misy mijery ve ty video ty? Tiko fona..