Рет қаралды 19
Miarahaba antsika rehetra manaraka izao Fampaherezana izao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hatrany ny tenako. Noresahintsika t@ farany fa na ny apôstoly na ny mpianatra dia mbola tsy tena nahatsapa tsara ny maha-Atra an’i Jesosy ka nahatonga an’i Jesosy niteny araka ny Jaona 14 :25-26, fa variana t@ ilay nofo notafian’i Jesosy izy ireo. Araka ny I Jaona 4:1-3 anefa dia mila mizaha toetra ilay fanahy fa misy karazany roa. Ny olona anefa variana @ ilay famantarana fa tsy mamantatra ilay toetran’ny fanahy. Ka izany no nahatonga an’i Jesosy nanindry ilay “Fanahin’ny Fahamarinana” (Jaona 16:13). Dia hiverenantsika hazavaina tsara ilay Lioka 24:17-49 izay nisehoan’i Jesosy t@ mpianany sy nanazavain’ny sainy ny @ Soratra Masina. Ary taorian’ny fitsanganan’i Jesosy t@ maty (faha-14 volana Nisana) no miseho ny tantara eto ary handrotsaka ny Fanahiny Izy dimapolo andro aorian’io, izay Pentekosta. Koa fanahy inona ary izany no raisintsika raha tsy mifanaraka @ Soratra Masina ny fitandremantsika ny Pentekosta? Mahereza rahalahy sy ranabavy.
Pasteur ANDRIAMALALA Rodin!