Рет қаралды 43
Miarahaba antsika rehetra manaraka izao Fampaherezana izao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hatrany ny tenako. Jesosy dia niteny fa tahaka ny mikatsaka harena nafenina ny fikatsahana ny Fanjakan’Atra, izay midika fa mila mangady lalina ny Soratra Masina raha tsy te ho voafitaka satria izay no ilaina ny fananana ilay « Esprit de discernement » izay efa noresahintsika araka ny I Jaona 4 :1-3. Ny ankamaroan’ny kristianina anefa dia mihevitra fa rehefa mivavaka dia ho voavonjy izay diso raha ny Matio 7 :21-23. Fa mila mianatra ka hankato na tsy hankato dia mizaka ny vokany (Matio 7 :24-27, Jaona 6 :28-29, Jaona 6 :60-64). Izany hoe : « Tsy hiditra any an-danitra mihitsy ny kamo mianatra ny Tenin’Atra ». Koa mampahery antsika @ anaran’ny Jesosy rahalahy sy ranabavy mba hazoto hianatra.
Pasteur ANDRIAMALALA Rodin!