Рет қаралды 11,388
Mitsangana ! Mandehana !
« Mitsangana ho vavolombelon’izany zavatra hitanao zany e!»
Mandehana torio amin’ny fiainanao ny Vaovao Mahafaly e
I- Teny an-dalana ho any Damasy dia izao ny zava niseho
Nisy hazavana nanaitra an’i Saoly ka lavo izy( sy) nandre feo
« Nahoana izato ianao no manenjika ahy toy izao ?
Miarena fa ho sasa-poana, izaho no manendry anao
Fanaka voafidy ho ahy ho vavolombeloko ianao »
I Jesoa no miantso maniraka hoe mitsangana ianao
Ataoko ho vavolombelon’ny zavatra izay hitanao
Miarena ka mandehana, izay nataoko andeha ambarao
Dia nanaiky sy niarina izy , nanolotra fo vaovao
Apostolin’ny tanora isika tanora andeha hiroso hatrany
Ankaherezin’ny Eokaristia, mitory ny vaovao mahafaly
II- Hijoro ho Vavolombelona sy hitondra hazavana satria
Hanentana ny Mpiarabelona hiara dalana amin’i Kristy
Hitory ny fibebahana , sy hanaja ny zava- boahary
Ho fanasina sy ho fanilo, hikatsaka ny ho lavorary
Hitondra ny Lakroa, hanerana ny vazan-tany
Mitsangana mijoroa ry tanora o ! ho vavombelon’izany zavatra hitanao izany, torio ambarao
Entanin’ny Fanahy isika, velomin’ny tenin’Andriamanitra,
Miombona ao amin’ny Eglizy no hamaly izany antso izany
Koa mangataka aminao ry Jesoa , Md Joany Paoly faharoa
Ianareo Olomasina , sy ireo Olon-tsambatra : MIVAVAHA HO ANAY(in2)
I Masina Maria mbola hanampy foana, hiaina ny Fitiavana sy ny Finoana
Papa Fransoa ilay Mpamafy Fiadanana, Fanantenana : fitaratra ho antsika
Matoky hatrany fa eo i Kristy hitantana ny dia
Matoky hatrany mijoro satria Mpianatra sy irak’i Kristy
Jesoa o ! inty aho, Jesoa o ! iraho aho (in2)