NY MASOANDRON'I RIRININA,

  Рет қаралды 20

manaisanandro

manaisanandro

Күн бұрын

Aty atsimon-ny ila bolantany foana izahay no mipetraka, tanànan'i Johannesbourg aty Afrika atsimo. Manantona ny ririnina, izay midika fa miha-mangatsika miha-mangatsiaka ary miha-fohy ny andro.
Indray andro izay aho mba nitady hafanana kely, nijery tao ivelan'ny trano aho ary nahita fa niposaka ny masoandro. Nivoaka aho ary nipetraka namaky boky. Koa satria moa mikisaka ny masoandro dia voatery mivoaka ny aloka aho mba hazahoana masoandro be be kokoa. Dia mbola nikisaka indray ny masoandro ka voatery nikisaka indray aho. Mino aho fa efa niainantsika daholo izany.
Mampatsiahy ahy izany fa ao anatin' ny fotsika rehetra dia mila ahitana toem-po izay tsy mitoetra ao anatin'ny aloky ny lasa. Tsy mitoetra ao anatin'ny aloky ny olana rehetra efa lasa, ny zavatra rehetra nitranga efa lasa any aoriana. tsy mitoetra ao anatin'ny toerana izay mampangatsiaka antsika ara-panahy fa manana faniriana mandrakariva isika hitady ny hafanan'ny masoandro. Tsy ny masoandro no tena tiako resahina eto fa ilay Zanak'Andriamanitra.
Hitantsika ao amin'ny bokin'i Jakoba 4:8 fa voasoratra hoe :
" Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy".
Midika izany fa mila mihetsika isika. Mila manana toem-po izay mitady mandrakariva ny fanatrehan'Andriamanitra, fiadanan'Andriamanitra, ny asan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Mitady mandrakariva Azy ary tsy mitoetra anaty aloka, aloky ny lasa sy ny ratram-po, ny fahadisoam-panantenana izay mampangatsiaka antsika.
Ndraindray isika efa zatra mijanona ao anatin'ny fombafombantsika, efa manana ny fomba fanaontsika manokana isika, manana ny zavatra irintsika manokana, manana ny fomba fanaovantsika zavatra ary tsy tsapantsika fa tsy ampy zava-baovao avy amin'ny Tompo ny fiainantsika. Lasa mandeha amin'ny fombafomba isika ka lasa tsy afa-manaotra mihitsy isika. Mila manana fo isika izay maniry mafy ny hanakaiky ny TOMPO amin'ny toe-javatra rehetra mba ahafahantsika mitombo sy mitoetra ao anatin'ny hafanana ho Azy eo amin'ny fiainantsika sy ny finoantsika kristianina.
Ny mpaminany jeremia dia nampitandrina ny vahoakan'Israely sy nampatsiahy azy fa tsy nankato izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina, fa nandeha araka ny saim-pantany, nanaraka ny hamafin’ny fo ratsiny; nihemotra izy fa tsy nandroso. Hitantsika ao amin'ny Jeremia 7: 24 izany.
Tsy mila an'izany aho, tsy te ho olona mihemotra aho eo amin'ny fiainako kristianina fa te ho olona mandroso hatrany hatrany. Noho izany dia mikatsaka hatrany aho mitady ilay Zanak'Andriamanitra. Tsy te hangatsiaka aho. Tsy te ho ao anatin'ny aloka aho fa te ilomano ao anatin'ny hafanan' ny fitavan'Andriamanitra, ny fiadanany, ny toetrany, ny planiny eo amin'ny fiainako.
Mba ho izany anie ny faniriantsika rehetra anio !
Andriamanitra hitahy !
Pst Peter Mckenzie
"That's the way i see it"

Пікірлер
Freedom of Less: One Man's Minimalist Journey
15:49
Reflections of Life
Рет қаралды 55 М.
INONA NO HITANAO AO? MAHITA ZAVATRA VE IANAO?
3:10
manaisanandro
Рет қаралды 41
Brawl Stars Edit😈📕
00:15
Kan Andrey
Рет қаралды 49 МЛН
Новый уровень твоей сосиски
00:33
Кушать Хочу
Рет қаралды 4,3 МЛН
MILA MANAO SAFIDY TSARA
3:06
manaisanandro
Рет қаралды 83
NY FIZAHAN-TOETRA VE MAHATONGA ANAO AHERY?
3:24
manaisanandro
Рет қаралды 126
TSY MANANA NENINA INTSONY !
3:12
manaisanandro
Рет қаралды 94
MISY ZAVATRA TSY HIOVA MANDRAKIZAY !
3:22
manaisanandro
Рет қаралды 49
IZANY NO ATAO HOE LAINGA MASINA
3:10
manaisanandro
Рет қаралды 87
AZA MIALA ANDAHARANA IANAO !
3:18
manaisanandro
Рет қаралды 33
MANOME MBA HO VELONA ARY VELONA MBA HANOME !
3:04
manaisanandro
Рет қаралды 73
MILOMANO MANOHITRA NY FIKORINAN'NY RANO|
3:12
manaisanandro
Рет қаралды 28
Brawl Stars Edit😈📕
00:15
Kan Andrey
Рет қаралды 49 МЛН